plt_tn/pro/16/15.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mifanohitra amin'ny andininy faha 14 ny andininy faha 15.

Ao amin'ny fahazavan'ny tavan'ny mpanjaka ny fiainana

Ny endrika falifaly eo amin'ny tarehin'ny mpanjaka dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitaratra hazavana ny tavany. DH: "Rehefa miramirana ny mpanjaka, dia velona ny olona"

ny fankasitrahany dia sahala amin'ny rahona izay mitondra oran-dohataona

Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny rahona mitondra orana mba hampaniry ny vokatra ny mpanjaka maneho fankasitrahana amin'ny olona iray. Samy mampanantena fitahiana amin'izay mandray azy ireo roa ireo.

Endrey ny hatsaran'ny fahazoana fahendrena mihoatra lavitra noho ny volamena

Io teny fanairana io dia manindry ny amin'ny mahatsara lavitra ny fananana fahendrena noho ny fananana volamena. DH: "tsara lavitra ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena"

Aleo mifidy ny hahazo fahazavan-tsaina toy izay volafotsy

Io dia azo atao hoe DH: "Tokony hisafidy ny hahazo fahazavan-tsaina mihoatra ny fahazoana volafotsy ny olona"