plt_tn/pro/16/01.md

1.2 KiB

An'ny olona ny fikasan'ny fo

Eto ny "fo" dia maneho ny saina aman'eritreritry ny olona iray. DH: "Manao fikasana ao an-tsainy ny olona"

fa avy amin'i Yaveh ny valin-teny avy amin'ny lelany

Ireo mety ho heviny dia 1) Milaza ny valinteniny manoloana ny fikasan'ny olona Yaveh, izay sarinteny midika fa Yaveh no mametraka ny vokatry ny fikasan'izany olona izany na 2) Mahatonga ny olona iray ho afaka hanonona teny momba ilay fikasana nataony Yaveh.

ny valin-teny avy amin'ny lelany

Io andian-teny io dia sarinteny ilazana ny teny izay lazain'ny olona iray. DH: "ny valinteny izay lazainy"

Madio eo imasony ihany ny lalan'ny olona rehetra

ny teny hoe "maso" dia sarinteny ilazana ny fomba fihevitry ny olona iray momba ny mety tsy ny tsy mety. Izay atoan'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray izany olona izany. DH: "Mihevitra ny olona fa madio ny zava-drehetra ataony"

Yaveh no mandanja ny fanahy

Eto ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny faniriana sy ny faharisihan'ny olona. Ny fanavahan'i Yaveh sy ny fitsarany ny faniriana sy ny faharisihan'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandanja ny fanahin'izany olona izany Izy. DH: "Yaveh no mitsara ny faharisihan'ny olona"