plt_tn/pro/15/29.md

907 B

Lavitra ireo ratsy fanahy Yaveh

Ny tsy fihainoan'i Yaveh ny olona ratsy fanahy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lavitra azy ireo ara-batana mihitsy Izy. DH: "Tsy mihaino ny olona ratsy fanahy Yaveh" na "Tsy mamaly ny ratsy fanahy Yaveh"

Ny fahazavan'ny maso

Ny endriky ny fifaliana eo amin'ny tarehin'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitaratra fahazavana ny mason'io olona io. DH: "Endrika miramirana"

mitondra fifaliana ho an'ny fo

Ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) ilay olona izay manana endrika miramirana no lasa ravoravo na 2) olona hafa no manjary ravoravo rehefa mahita olona iray manan'endrika miramirana. DH: "mahatonga ny olona iray ho feno haravoana"

ny vaovao tsara dia fahasalamana ho an'ny vatana

Eto ny teny hoe "vatana" dia maneho ilay olona. DH: "ny fandraisana vaovao mahafaly mahatonga ny olona hahatsapa ho falifaly"