plt_tn/pro/15/09.md

836 B

Mankahala ny fomban'ireo olona ratsy fanahy Yaveh

Ny fomba fiainan'ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona. DH: "Halan'i Yaveh ny fomba fiainan'ny ratsy fanahy"

tia ilay iray izay manaraka ny marina Izy

Ny fitandremana tsara mba hiaina am-pahamarinana dia resahina toy ny hoe manenjika zavatra marina izany. DH: "ny olona izay miezaka mafy ny hiaina am-pahamarinana"

ny olona izay mahafoy ny lalana

Eto ny "lalana" dia manondro ny lalan'ny fahamarinana. Ny olona izay mitsahatra amin'ny fanaovana ny marina dia resahina toy ny hoe nijanona tsy nandeha teo amin'ny lala-marina. DH: "Izay rehetra mitsahatra tsy miaina am-pahamarinana"

izay mankahala famaizana

Ny teny hoe "famaizana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ny olona izay mankahala rehefa manitsy azy ny sasany"