plt_tn/pro/15/07.md

755 B

Ny molotry ny hendry manaparitaka fahalalana

Ny teny hoe "molotra" dia maneho izay lazain'ny olon-kendry. Ny fahalalana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe voa izay afafin'ny olon-kendry manodidina rehefa miteny izy. DH: "Ny tenin'ny olon-kendry mampiely fahalalana"

tsy mba toy izany kosa ny fon'ireo adala

Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "fo" dia fibangoan-teny ilazana ireo adala ihany ary midika fa tsy manaparitaka fahalalana tahaka ny ataon'ny olon-kendry izy ireo. DH: "tsy manaparitaka fahalalana ny adala" na 2) tsy manana fahalalana any am-pony ny adala, ary ny "fo" dia entina ilazana ny eritreritra. DH: "Tsy mahatakatra fahalalana ny adala"

olona mahitsy

"olona miaina am-pahamarinana"

fa fahafinaretany

"mahafaly Azy"