plt_tn/pro/15/01.md

1.0 KiB

Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana

Ny fampitsaharana ny olona amin'ny ahatezerana dia resahina toy ny hoe mamily ny fahasosoran'izany olona izany. DH: "Ny famaliana malefaka ny olona iray no hampitony ny fahatezeran'izany olona izany"

fa ny teny masiaka manetsika fahasosorana

Ny fampatezerana olona iray dia resahina toy ny hoe manetsika na mamoha fahatezerana. DH: "fa ny fitenenana amin'ny fahasiahana dia hahatonga izany olona izany ho tezitra kokoa"

Ny lelan'ny hendry mandoka fahalalana

Eto ny "lela" dia manondro ilay olona miteny. DH: "Ny olon-kendry mandoka fahalalana rehefa miteny"

mandoka fahalalana

"mahatonga ny fahalalana hahasarika" na "mampiasa fahalalana araka ny mety"

ny vavan'ny adala kosa mandraraka fahadalana

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fasian-javatra ny vavan'ny adala ary ny fahadalana dia toy ny hoe tsiranoka mameno azy ireo. Rehefa miteny ny adala, dia mamoaka rano ny vavany. Ny teny hoe "vava" dia manondro ireo miteny. DH: "miteny fahadalana foana ny adala"