plt_tn/pro/09/13.md

977 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireto andininy ireto dia manomboka mamaritra ny fahadalana izay raisina ho toy ny hoe vehivavy ihany koa.

Ny vehivavin'ny adalana

Azo atao ny mandika ny "adalana" amin'ny endrika famaritana. DH: "Vehivavy adala." Na izany aza, raha mamela ny fahendrena ho raisina ho toy ny olona ny fiteny iray, tahaka ny teo amin'ny ampahany teo aloha tamin'ity toko ity, dia mety hamela ny fahadalana ho raisina ho toy ny olona ihany koa io. DH: "Ilay Fahadalana vavy"

tsy nobeazina izy ary tsy mahafantatra na inona na inona

Ireo fomba fiteny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany, izay averina mba hampiseho ny maha-tsy misy ilaina azy ny vehivavy adala. DH: "tsy mahay na inona na inona akory izy"

tsy nobeazina

"tsy nianatra avy tamin'ny zavatra niainana izy" na "tanora sady vendrana izy"

mandeha mahitsy amin'ny lalan'izy ireo

Toa sarinteny ilazana ny "tsy fiheverana afa-tsy ny azy ihany" na "ny fiheverana ny azy manokana" io.