plt_tn/pro/05/03.md

1.5 KiB

ny molotry ny vehivavy mpijangajanga mitete tantely

Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "molotra" dia maneho ny tenin'ilay vehivavy mpijangajanga ary resahin'ny mpanoratra toy ny hoe molotra mitete tantely ny fisarihan'ny teniny. DH: "mamy ny tenin'ny vehivavy janga, tahaka ny mitete tantely" na 2) ny endriky ny fanorohana ilay vehivavy mpijangajanga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitete tantely ny molony. DH: "mamy ny oroky ny vehivavy janga, toy ny mitete tantely ny molony"

ny vavany dia malama noho ny diloilo

Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "molotra" dia maneho ny tenin'ilay vehivavy mpijangajanga ary resahin'ny mpanoratra toy ny hoe malama noho ny menaka oliva ny fandresen-dahatry ny teniny. DH: "ny teniny dia mandresy lahatra ary malama noho ny menaka oliva" na 2) Ny fahafinaretana amin'ny fanorohana ilay vehivavy janga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe malama noho ny menaka ny vavany. DH: "ny fanorohany dia malama noho ny menaka oliva.

nefa any am-parany dia hangidy tahaka ny hazo mahafaty izy

Ny ratsy avy amin'ny fiarahana amin'ny vehivavy janga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nanandrana hazo mangidy mahafaty izy. DH: "fa amin'ny farany, dia tahaka ny hazo mahafaty mangidy tsiro izay hahavoa anao izany"

hazo mahafaty

zava-maniry mangidy tsiro

manapaka tahaka ny sabatra maranitra

Ny fanaintainana izay hataon'ny vehivavy janga amin'izay miaraka aminy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fitaovam-piadiana maranitra izay manapaka ilay olona. DH: "mandratra olona, toy ny hoe fitaovam-piadiana maranitra izy"