plt_tn/pro/04/26.md

1.2 KiB

Manamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao

Eto ny teny hoe "tongotra" dia entina ilazana ny olona izay mandeha. Ny ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amina lalana iray izy, ary ny fikasana hanao ireo asa ireo tsara dia toy ny hoe mampahitsy lalana. DH: "Manaova lalana mahitsy handehanana" na "Omano tsara izay tianao hatao"

lalana mahitsy

"lalana malamatra" na "lalana tsy mikitoantoana"

dia hilamina ny lalanao rehetra

Ny ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amina lalana iray ilay olona ary ireo asa izay mahomby ireo dia toy ny hoe milamina sy azo antoka ilay lalana. DH: "dia tsy haninona ny zavatra rehetra ataonao"

Aza mivily ho amin'ny ankavia na ankavanana

Ny "avia" sy "havanana" dia mampisy fizarana, izay midika fa tsy tokony handao ny lala-mahitsy ho amin'izay mety ho lalana rehetra ilay olona. DH: "Mizora mahitsy ary aza mandao ny lala-mahitsy"

alaviro amin'ny ratsy ny tongotrao

Eto ny teny hoe "tongotra" dia entina ilazana ny olona izay mandeha. Ny tsy fanaovana ratsy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha miala amin'ny ratsy ilay olona. DH: "mialà amin'ny ratsy" na "manalavira ny ratsy"