plt_tn/pro/04/24.md

672 B

Esory eo aminao ny teny mivilambilana ary ny teny manimba lavitra anao

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mivilambilana ny teny lainga sy fitaka ary ny olona tsy mampiasa izany karazana fiteny izany dia toy ny hoe manala izany lavitra ny olona iray izany. DH: "Aza mandainga ary aza miteny fitaka"

Aoka ny masonao hijery mahitsy sy hibanjina mahitsy ny eo alohanao

Eto ny teny hoe "maso" dia maneho ny olona izay mijery. Ny olona manolo-tena amin'ny fanaovana ny zavatra mety dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mijery manatrika hatrany izany olona izany ary tsy mitodi-doha hijery any an-kafa. DH: "Mijery mahitsy mandrakariva ary mibanjina mahitsy ny eo alohanao"