plt_tn/pro/04/16.md

1.2 KiB

tsy afa-matory izy ireo mandra-panaovany ratsy

Mampiasa filaza masaka ny mpanoratra mba hanehoana ny fanirian'ny olona ratsy fanahy hanao asa rasty.

very torimaso izy ireo

Ny olona tsy afa-matory dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra azon'ny olona angalarina amin'izy ireo ny torimaso. DH: "tsy mahita-tory izy ireo"

mandra-panafintohiny olona

Ny fanisiana ratsy ny olona iray hafa dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mahatonga izany olona izany ho tafintohina izany. DH: "mandra-panisiany ratsy olon-kafa"

izy ireo dia mihinana ny mofon'ny faharatsiana ary misotro ny divain'ny herisetra

Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny izay iresahan'ny mpanoratra momba ireo olona izay manao faharatsiana tsy tapaka sy herisetra toy ny hoe misotro sy mihinana ireo tahaka ny fisotroan'ny olona divay sy mofo izy ireo. DH: "ny faharatsiana dia tahaka ny mofo izay hohanin'izy ireo ary ny herisetra dia tahaka ny divay izay sotroiny" na 2) mahazo ny sakafony sy izay sotroiny amin'ny fanaovana faharatsiana sy herisetra ireo olona ireo. DH: "mihinana ny mofo izay azony ireo tamin'ny fanaovan-dratsy izy ireo ary misotro divay izay azon'izy ireo tamin'ny herisetra"