plt_tn/pro/04/10.md

1009 B

ary tandremo ny teniko

"henoy tsara izay ampianariko anao"

hanana taona maro hiainana ianao

"ho velona mandritra ny taona maro ianao"

Hanoro lalana anao amin'ny lalam-pahendrena aho; ary hitarika anao ho amin'ireo lalana mahitsy aho

Ny fampianaran'ny mpanoratra ny zanany mba hiaina am-pahendrena dia resahiny toy ny hoe mitarika ny zanany amin'ny lalana izay mety hahitan'ny olona fahendrena izy. DH: "Ampianariko ny fomba fiainana am-pahendrena ianao; azavaiko aminao ny fomba fiainana marina"

Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy olona hijoro amin'ny lalanao ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina

Samy manana hevitra mitovitovy ireo andalana roa ireo. Ny fanapahan-kevitra sy ny asa ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha na mihazakazaka amin'ny lalana iray izany olona izany ary ny olona izay mahomby dia toy ny hoe tsy misy sakana izay mety hamingana ilay olona ilay lalana. DH: "Rehefa mikasa zavatra iray ianao, dia hahomby amin'ny fanaovana izany"