plt_tn/pro/04/03.md

651 B

Tamin'ny mbola naha-zanaky ny raiko ahy

Manondro ny fotoana izay nahakely ny mpanoratra ka teo ambanin'ny fiahian'ny rainy io. DH: "Fony izaho mbo zazalahy nianatra tamin-draiko"

ilay mora fanahy ary zanaka tokan'ny

Eto ny teny hoe "mora fanahy" dia entina ilazana taom-pahazazana izay mbola mahosa ny zaza. Mahatonga fifampisakambinana amin'ny teny hoe "tokana" io. DH: "ilay zanaka tokana mora fanahy"

Aoka ny fonao hihazona mafy ireo teniko

Eto ny teny hoe "fo" dia entina ilazana ny sain'ny olona. Ny fahatsiarovana ny teny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mifikitra mafy amin'izany ny fo. DH: "Tsarovy foana izay ampianariko anao"