plt_tn/pro/03/17.md

785 B

Lalan'ny fahalemem-panahy ny lalany ary fiadanana avokoa ny lalany rehetra

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary ny tombony omen'ny fahendrena ny olona dia toy ny hoe mitarika ny olona amin'ny lalana iray ny fahendrena. DH: "Hitondra anao tsara hatrany ny fahendrena ary hanome fiadanana ho anao"

Izy no hazon'aina ho an'ireo izay mihazona izany

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe hazo mamoa voankazo manome aina ny fahendrena ary ny olona izay mahazo tombony amin'izany dia tahaka ny hoe nihinana tamin'ilay voankazo. DH: "Ny fahendrena dia tahaka ny hazo izay manohana ny ain'ireo izay mihinana ny voany"

hazon'aina

"hazo izay manome aina" na "hazo izay manohana ny aina ny voany"

ireo izay mifikitra amin'izany

"ireo izay mifikitra amin'ny voany"