plt_tn/pro/02/20.md

1.1 KiB

Dia

Milaza ny vokatry ny fahazoana fahazavan-tsaina sy fahamalinana ny mpanoratra.

handeha amin'ny lalan'ny olona tsara ianao ...hanaraka ireo lalan'ny

Ny fitondran-tenan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe mandeha eo amin'ny lalana iray izany. DH: "hiaina amin'ny lalana... hanaraka ny ohatra"

ratsy fanahy hofongorona eo amin'ny tany

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fongoran'i Yaveh ny fanesorany ny olona hiala amin'ny tany, tahaka ny fanongotan'ny olona ny rantsana amin'ny hazo. Io dia azo atao hoe DH: "Ho esorin'i Yaveh hiala amin'ny tany ireo ratsy fanahy"

ny ratsy fanahy... tsy manam-pinoana

Ireo dia mpamaritra anarana izay azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "ireo izay ratsy fanahy... ireo izay tsy manam-pinoana" na "olona rasty fanahy...olona tsy manam-pinoana"

ny tsy manam-pinoana hofongorona eo amin'izany

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fongoran'i Yaveh ny fanesorany ny olona hiala amin'ny tany, tahaka ny fanongotan'ny olona ny rantsana amin'ny hazo. Io dia azo atao hoe DH: "ho esoriny eo amin'izany ny tsy manam-pinoana"