plt_tn/php/04/18.md

1.2 KiB

Nandray ireo zavatra rehetra aho

Mety ho dikany 1) Nandray izay rehetra nalefan'ny Filipiana i Paoly na 2) Paoly dia milaza fa ity fizarana amin'ny taratasiny ity dia porofo fa voaray ny entana nalefan'i Epafrodito

manana be dia be

Ny tian'i Paoly lazaina dia hoe manana maro amin'ireo zavatra izay ilainy ho an'ny tenany.

Ireo dia hanitra manim-pofona, izay fanatitra azo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra

Paoly dia miresaka ny fanomezana izay avy any amin'ny fiangonana Filipiana tahaka ny hoe sorona natolotra ho an'Andriamanitra eny amin'ny alitara. Paoly dia miteny fa ny fanomezan'ny fiangonana dia tena mahafaly an'Andriamanitra, toy ireny sorona izay doran'ny mpisorona izay manana fofona mahafaly an'Andriamanitra. DH: "Manome toky anareo aho fa ireo fanomezana ireo dia tena mahafaly an'Andriamanitra, tahaka ny sorona azo ekena."

hameno izay rehetra ilainareo

Mitovy amin'ny hoe "Fa feno aho" ao amin'ny andininy faha-18. Fomba fiteny midika hoe "dia hanome izay ilainareo rehetra"

araka ny haren'ny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy

"avy amin'ny haren'ny voninahiny izay omeny amin'ny alalan'i Kristy Jesosy"

Ary ho an'Andriamanitra

Ny teny hoe "Ary" dia manamarika ny famaranana ny vavaka sy ny fiafaran'ity fizaran'ny taratasy ity.