plt_tn/php/03/17.md

2.3 KiB

Aoka ho mpaka tahaka ahy

"Ataovy izay ataoko" na "miaina toy ny niainako"

rahalahy

Eto dia milaza izany teny izany hoe ireo mpinamana Kristiana, na lahy na vavy, satria ny mpino rehetra an'i Kristy dia mpikambana ao amin'ny fianakaviana ara-panahy iray miaraka amin'Andriamanitra toy ny Rain'izy ireo any an-danitra.

ireo izay mandeha araka ny ohatra izay hitanareo ao aminay

"Ireo izay efa miaina tahaka ny iainako" na "Ireo izay efa manao izay ataoko"

Maro ireo mandeha ... tahaka ny fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy

Ireo teny ireo no tena eritreretin'i Paoly momban'io andininy io.

Maro ireo mandeha

"Maro no miaina" na "Maro no mitantana ny fiainan'izy ireo"

ireo izay efa nolazaiko anareo matetika, ary ankehitriny aho milaza aminareo amin-dranomaso

Paoly dia manapaka ny eritreriny amin'ireo teny ireo izay mamaritra ny "maro"

efa nolazaiko anareo matetika

"Efa noteneniko anareo foana"

milaza aminareo amin-dranomaso

"milaza aminareo amin'ny alahelo lehibe aho"

tahaka ny fahavalon'ny hazofijalian'i Kristy

Eto "ny hazofijalian'i Kristy" dia manondro ny fijaliana sy fahafatesan'i Kristy. Ireo fahavalo dia ireo izay milaza fa mino an'i Jesosy nefa tsy vonona hijaly na ho faty toa an'i Jesosy. DH: "Amin'ny fomba izay mampiseho fa izy ireo dia manohitra an'i Jesosy, izay vonona ny hijaly sy ny ho faty teo amin'ny hazofijaliana"

Fandringanana no fiafaran'izy ireo

"Indray andro Andriamanitra dia handringana azy ireo"

ny kibony no andriamaniny

Eto ny "kibo" dia maneho ny fanirian'ny olona amin'ny fahafinaretana ara-nofo. Eto dia manambara fa izy ireo dia mitady izany fahafinaretana izany mihoatra ny fankatoavana an'Andriamanitra. DH: "Izy ireo dia maniry sakafo sy ireo fahafinaretana ara-nofo mihoatra ny fanirian'izy ireo ny fankatoavana an'Andriamanitra"

ny fireharehan'izy ireo dia ao amin'ny fahamenarany

Eto ny "mahamenatra" dia midika hoe fihetsika izay tokony hahamenatra nefa tsy menatra. DH: "Mirehareha amin'ny zavatra tokony hahatonga azy ireo ho menatra izy ireo"

Mieritreritra ny zavatr'izao tontolo izao izy ireo.

Eto ny ''izao tontolo izao" dia maneho ny zavatra rehetra izay manome fahafinaretana ara-nofo sy tsy manome haja an'Andriamanitra. DH: "Ny eritreritr'izy ireo dia ny hampifaly ny tenan'izy ireo ihany fa tsy ny hampifaly an'Andriamanitra"