plt_tn/php/03/12.md

2.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly dia mampirisika ireo mpino Filipiana mba hanaraka izay nataony noho ny lanitra sy ny vatana vaovao izay miandry ireo mpino. Izy dia miresaka momba ny fomba fiasany mafy araka izay azony atao mba ho tahaka an'i Kristy, mahafantatra fa Andriamanitra dia hamela azy hitoetra mandrakizay any an-danitra, tahaka ireny hoe mpiazakazaka izay manenjika ny tanjona farany

nandray ireo zavatra ireo

Ao anatin'izany ny hoe mahafantatra an'i Kristy, ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty, mizara ao amin'ny fijalian'i Kristy, ary ho tafaray amin'i Kristy ao amin'ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty.

na koa hoe tonga tanteraka aho

"koa mbola tsy tonga lafatra aho" na "koa mbola tsy matotra aho"

handrombahako

"mety hahazo ireo zavatra ireo aho"

ilay nandrombahan'i Kristy Jesosy ahy

DH: "satria izany noho nahatonga an'i Jesosy nilaza ahy ho Azy"

Ry rahalahy

Eto dia milaza izany teny izany hoe ireo mpinamana Kristiana, na lahy na vavy, satria ny mpino rehetra an'i Kristy dia mpikambana ao amin'ny fianakaviana ara-panahy iray miaraka amin'Andriamanitra toy ny Rain'izy ireo any an-danitra.

tsy mieritreritra aho fa ny tenako dia efa nandrombaka izany

"Ireo zavatra rehetra ireo dia ahy avokoa"

Adinoiko izay any aoriana ary miezaka ho an'izay eo aloha aho

Tahaka ny mpiazakazaka izay tsy mieritreritra izay efa vita fa ny eo aloha sisa no hifantohana. Paoly dia miresaka momba ny fanajanonana ny asa ara-panahiny an'ny fahamarinana sy ny fifantohany amin'ny hazakazaky ny fiainana izay efa napetrak'i Kristy teo alohany mba hotanterahiny.

Miezaka manatratra ny tanjona aho mba hahazo ny lokan'ny antso avy any ambony avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.

Tahaka ny mpiazakazaka mandeha mialoha mba handreseny, Paoly dia mandeha mialoha mba hanompoana sy hiainana ao amin'ny fankatoavana an'i Kristy. DH: "Ataoko daholo izay vitako mba hitovizako amin'i Kristy, tahaka ny mpiazakazaka manenjika ny fahatongavana, ka mba ho Azy aho, ary Andriamanitra dia hiantso ahy ho any Aminy rehefa maty aho"

ny antso avy any ambony

Mety ho dikany dia hoe Paoly dia miresaka hoe velona mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra tahaka ny hoe Andriamanitra dia niantso an'i Paoly hiakatra 1) ho any an-danitra tahaka ny nataon'i Jesosy 2) ny dingana mankeo amin'ny lapihazo izay handraisan'ny mpandresy ny loka, izany dia sarin-teny maneho ny fihaonana amin'Andriamanitra mivantana sy mandray ny fiainana mandrakizay.