plt_tn/php/01/09.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly dia mivavaka ho an'ireo mpino tao Filipy ary niresaka momba ny hafaliana ao amin'ny fijaliana ho an'ny Tompo.

mba hitombo

Paoly dia miresaka ny fitiavana tahaka ny zavatra izay afaka alaina. DH: "afaka ampitomboina"

amin'ny fahalalana sy amin'ny fahazavan-tsaina rehetra

Eto ny ''fahazavan-tsaina" dia midika hoe momban an'Andriamanitra ka afaka atao mazava. DH: "rehefa mianatra sy mahatakatra be momba izay mahafaly an'Andriamanitra"

hanaiky

Izany dia midika hoe mandinika ireo zavatra ary dia mihazona ireo izay tsara. DH: "manandrana dia misafidy"

izay tsara dia tsara

"izay tena tian'Andriamanitra"

tso-po sy tsy misy tsiny

Ireo teny roa ireto dia mitovitovy dika ihany. Paoly dia nanambatra ireo mba hanasongadinana ny fitondran-tena madio. DH: "tena tsy manan-tsiny"

mba ho fenon'ny

Paoly dia mampitaha ireo mpino ho tahaka ny fitoeran-javatra ka afaka fenoina voankazo. DH: "Izany ihany koa dia hoe Jesosy Kristy mety ahatonga anareo hankatoa an'Andriamanitra bebe kokoa"

ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana izay avy amin'i

Ny asa tsaran'ny mpino izay nolazain'Andriamanitra fa tsara dia mahafaly an'Andriamanitra tahaka ny voankazo maniry izay mamy rehefa hoanin'ireo izay mihinana azy. DH: "afaka mampifaly an'Andriamanitra na ny olona hafa amin'ny fomba fiainanareo ankehitriny raha namela ny helokareo Andriamanitra.

ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra

Mety ho dikany 1) "avy eo ny olona hafa hahita ny fomba hanomezanao voninahitra an'Andriamanitra" na 2) "avy eo ny olona hidera sy hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ireo zavatra tsara hitan'izy ireo ataonareo"