plt_tn/phm/01/10.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Onesimosy no anaran'ny lehilahy iray izay toa andevon'i Filemona izay nangalatra zavatra ary nandositra.

Ny zanako Onesimosy

"Ny zanako Onesimosy." Paoly dia miresaka ny fomba fifandraisan'i Onesimosy ho toy ny hoe fifankatiavan'ny ray sy ny zanany. Onesimosy dia tsy tena zanak'i Paoly, saingy nahazo fiainana ara-panahy izy rehefa nampianarin'i Paoly ny momba an'i Jesosy, ary tian'i Paoly izy. DH: "Onesimosy zanako ara-panahy."

Onesimus

Ny anarana hoe "Onesimosy" dia midika hoe "mahasoa" na "ilaina"

Izay naterako

Ny fomba nahatongavan'i Onesimosy ho toy ny zanak'i Paoly dia afaka hazavaina. DH: "izay lasa zanako ara-panahy rehefa nampianariko ny momba an'i Kristy izy ary dia nahazo fiainana vaovao" na "izay lasa toy ny zanako."

Tamin'ny fatorako

Ireo voafonja dia matetika voafatotra. Paoly dia tany am-ponja rehefa nampianatra an'i Onesimosy ary mbola tao am-ponja tamin'izy nanoratra ity taratasy ity. DH: "raha mbola tany am-ponja aho."

Nalefako niverina izy ... ho any aminao

Paoly dia mety andefa an'i Onesimosy miaraka amin'ny mpino iray hafa izay nitondra ity taratasy ity.

Izay tena foiko

Eto ny teny hoe: "fo" dia ampiasaina ho an'ny olona izay tena tena tiana. Paoly dia niteny izany momba an'i Onesimosy. DH: "izay tiako indrindra."

Mba hahafahany manompo ahy ho anao

"Fa, satria tsy afaka ny ho eto ianao, izy dia mety hanampy ahy" na "mba ahafahany manampy ahy eo amin'ny toeranao."

Voafatotra aho

"Raha mbola tany am-ponja aho."

Nohon'ny filazantsara

"Satria mitory ny filazantsara aho."