plt_tn/num/27/12.md

1.5 KiB

tendrombohitra Abarima

Io dia tendrombohitra mitandavana any Moaba.

izay nomeko ny vahoakan'ny Israely

Eto i Yaveh dia miresaka momba ny tany izay nomeny ny Israely toy ny hoe efa nanome izany ho azy ireo Izy. Miteny tahaka izany Izy mba hanindriana fa efa nanomana ny hanome izany ho azy ireo Izy. DH: "izay homeko ny vahoakan'Israely"

ianao, ihany koa, dia hangonina any amin'ny vahoakanao

Io dia fanalefahan-teny izay midika fa ho faty i Mosesy ary handeha any amin'ny toerana izay misy ireo razambeny ny fanahiny. DH: "tsy maintsy ho faty ianao"

tahaka an'i Arona rahalahinao

Afaka manazava ny fampahalalana izay efa fantatra ianao fa maty i Arona. DH: "tahaka an'i Arona zokinao lahy maty"

ianareo roa dia nikomy

Io dia manondro an'i Mosesy sy Arona.

efitr'i Sina

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:21 io andianteny io.

rehefa nikoriana tamin'ny vatolampy ny rano, dia tamin'ny fahatezeranao

Io dia manondro tranga iray izay nampikorianan'i Yaveh rano avy amin'ny vatolampy tamin'ny fahagagana. Niteny tamin'i Mosesy mba hiteny amin'ny vatolampy Andriamanitra. Saingy, nikapoka ny vatolampy kosa i Mosesy satria tezitra tamin'ny vahoaka izy.

tsy nahavitanao nanome voninahitra Ahy ho masina

"tsy nanao Ahy ho masina ianao"

teo imason'ny fivondronana manontolo

Eto ny hoe "mason'ny fivondronana manontolo" dia manondro ny fivondronana mihitsy. Nosoratana tahaka izao izany mba hanindriana izay hitan'izy ireo. DH: "teo anatrehan'ny fivondronana manontolo"

ranon'i Meriba

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 20:12 izany.