plt_tn/num/22/31.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh
Ny hoe "manokatra mason'olona" dia nifandraika amin'ny fahafahana mijery. DH: "Dia nomen'i Yaveh fahafahana mba hahita ilay anjelin'i Yaveh i Balama"
# misy sabatra voatsoaka
Ny sabatra dia tsoahina amin'ny fitoerana mba ho azo ampiasaina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:21. DH: "nisy sabatra vonona hanafika"
# Nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama
Io dia milaza fa nanetri-tena teo anoloan'ilay anjely i Balama.
# Nahoana no nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao?
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hiampangana an'i Balama tamin'ny fanaovana hadisoana. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao."
# tahaka ny mpifahavalo aminao
"ho fahavalonao" na "mba hanohitra anao"
# Raha tsy niala ahy izy...novonoiko tokoa ianao fa hamelona azy aho
Io fehezanteny misy petra-kevitra io dia milaza izay mety hitranga, fa tsy nitranga satria nanavotra an'i Balama ny zavatra nataon'ilay boriky.