plt_tn/num/22/28.md

944 B

Dia nanokatra ny vavan'ilay boriky i Yaveh mba hiteny izy

Ny fanokafana ny vava dia nifandraika amin'ny fahafahana miteny. DH: "Dia nanome fahafahana ilay boriky mba hiteny tahaka ny hitenen'ny olombelona i Yaveh"

Hoy izy tamin'i Balama

"Hoy ilay boriky tamin'i Balama"

Moa ve tsy izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra mandraka ankehitriny?

Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanamelohana an'i Balama fa tsy rariny ny fitsarany ilay boriky. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra, hatramin'izao fotoana izao."

Moa ve efa nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho taloha?

Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanamelohana an'i Balama ihany fa tsy rariny ny fitsarany ilay boriky. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: " tsy nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho!"