plt_tn/num/15/30.md

731 B

Aoka ho fongorana eo amin'ny vahoakany izany olona izany

Ny sarinteny hoe "fongorana" dia misy heviny telo fara-fahakeliny. 1) "tsy maintsy mandefa azy ny olony" na 2) "tsy heveriko ho iray amin'ny vahoakan'Israely intsony izy" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakany."

nandika ny didiko

Ny tsy fankatoavana ny didy dia resahina toy ny hoe mandika izany. DH: "tsy nankatoa ny didiko" na "tsy nankatoa izay nandidiako"

Ho aminy anie ny fahotany

Eto ny fahotana dia manambara na 1) ny fanasaziana noho izany fahotana izany na 2) ny heloka noho izany fahotana izany. Ny hoe ho aminy ny fahotany dia sarinteny hilazana na 1) voasazy na 2) meloka. DH: 1) "Hanasazy azy noho ny fahotany Aho" na 2) "Heveriko ho meloka izy"