plt_tn/num/14/01.md

808 B

Nahoana no nitondra anay tamin'ity tany ity mba ho fatin-tsabatra Yaveh?

Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hitarainana sy hiampangana an'i Yaveh ho nampijaly azy ireo. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nitondra anay tamin'ity tany ity fotsiny ihany mba hahafaty anay amin-tsabatra i Yaveh."

ho fatin-tsabatra

Eto ny "sabatra" dia manambara na ny matin'ny sabatra na ny maty anatin'ny ady. DH: "mba ho faty rehefa misy olona manafika anay amin-tsabatra" na "mba ho faty an'ady"

Tsy tsara ho anay ve ny miverina any Egypta?

Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba handrisihana ny olona hanaiky azy ireo fa tsara kokoa ny miverina any Egypta. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Ho tsara kokoa ho antsika ny miverina any Egypta noho ny manandrana ny haka an'i Kanana."