plt_tn/num/11/21.md

1.2 KiB

Tokony hamono ireo ondry aman'osy sy ny omby ve izany izahay hampifaliana azy ireo? Tokony hanjono ny trondro rehetra ao anaty ranomasina ve izahay mba hampifaliana azy ireo?"

Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana ny fiahiahiany fa tsy misy sakafo sahaza hamahanana ny vahoaka rehetra. DH: "Tokony hamono ny ondry aman'osy sy ny omby mantolo izahay ary haka ny trondro ao an-dranomasina mba hampifaliana azy ireo!"

ireo ondry aman'osy sy ny omby

Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Fa miaraka mba hanindriana ny isan'ny biby fiompy maro be.

ny trondro rehetra ao anaty ranomasina

Mampiasa io fanitarana io i Mosesy mba hanehoana fa tena tsy nino izy fa hahavatsy sakafo ho an'ny vahoakan'Israely rehetra izany.

mba hampifaliana azy ireo

"mba hamokisana azy ireo"

Fohy ve ny tanako?

Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny herin'Andriamanitra. Mampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hibedesana an'i Mosesy tamin'ny nieritreretany fa tsy manan-pahefana hamatsy sakafo sahaza ny vahoaka Andriamanitra. DH: "Heverinao fa tsy manan-kery hanaovana izany ve Aho?" na "Tokony ho fantatrao fa mahery loatra ny hanao izany Aho."