plt_tn/num/07/84.md

2.2 KiB

Natokan'ireo...ireo zavatra ireo

Ny andianteny hoe "natokana" dia midika hoe manolotra amin'ny antony manokana. Eto, dia natolotra ho an'i Yaveh ireo fanatitra.

tamin'ny andro nanosoran'i Mosesy ny alitara

Eto ny teny hoe "andro" dia manondro ny fe-potoana amin'ny ankapobeny. Ireo mpitarika ny Israely dia nanokana ireo zavatra ireo mandritra ny 12 andro mazava. DH: "rehefa nanosotra ny alitara i Mosesy"

Ny lovia volafotsy tsirairay dia samy nilanja sekely 130

Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"

lovia jobo dia nilanja sekely fitopolo avy

Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"

araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina

Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"

Ireo fanaka volafotsy rehetra dia nilanja...Ny lovia volamena rehetra dia nilanja

"Niara-nolanjaina ireo fanaka volafotsy rehetra...Niara-nolanjaina ireo lovia volamena rehetra"

Ireo fanaka volafotsy

Io dia manondro ireo fanatitra rehetra izay vita tamin'ny volafotsy, dia ireo lovia sy ireo lovia jobo.

Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena roa ambin'ny folo...nilanja sekely 120

"Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja sekely 10." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja ampahafolo kilao" na "Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja 110 grama"