plt_tn/neh/05/04.md

1.3 KiB

Nefa ny nofonay sy ny rànay dia mitovy tahaka ny an'ny rahalahinay ihany, ary ny zanakay dia mitovy amin'ny zanak'izy ireo

Eto ireo Jiosy dia milaza fa izy ireo dia taranaka Jiosy mitovy amin'ireo Jiosy hafa ihany ary mitovy lanja amin'ireo hafa. Azo hazavaina ny hevitr'izany. DH: "Nefa ny fianakavianay dia Jiosy mitovy amin'ireo fianakaviana Jiosy hafa , ary ireo zanakay dia manan-danja aminay toy ny zanak'izy ireo eo imasony.

ny nofonay sy ny rànay

Izany dia fomba fiteny izay manondro ny fianakavian'izy ireo. DH: "ny fianakaviany"

ny sasany amin'ireo zanakay vavy dia efa nandevozina rahateo

DH: "Izahay dia efa nivarotra ny sasany tamin'ireo zanakay vavy ho andevozina"

Nefa tsy ao amin'ny herinay ny hanao izany satria efa olona hafa no tompon'ny ny sahanay sy ny tanim-boalobokay ankehitriny.

Hatramin'ny tsy naha teo am-pelantanan'ireo lehilahy ny saha sy tanim-boalobok'izy ireo dia tsy afaka nampitombo vola hamelomana ny fianakaviany intsony izy ireo. Azo atao mazava ny hevin'izany fanambarana izany. DH: "Fa tsy afaka ny hanova ny zava-misy izahay satria efa olona hafa ankehitriny no tompon'ny sahanay sy ny tanim-boalobokay izay ilainay mba ahafahanay mivelona."

tsy ao amin'ny herinay

Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy manana fahefana hanaovana zavatra intsony izy ireo. DH: "tsy manan-kery izahay"