plt_tn/neh/04/01.md

2.3 KiB

Ary rehefa ren'i Sanbala

Eto i Nehemia dia nampiasa ny teny "Ary" mba hanamarihana fizarana vaovao amin'ny tantara.

Sanbala ... Tobia

Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:9.

nirehitra tao anatiny izany, ary nisafoaky ny hatezerana izy

Eto ny "izany" dia manondro ny fahafantaran'i Sanbala fa manangana manda ireo Jiosy. Izany dia miresaka ny fahatezeran'i Sanbala toy ny afo izay mirehitra ao anatiny. DH: "lasa tena tezitra izy"

teo anatrehan'ireo rahalahiny

"teo anatrehan'ireo havany akaiky" na "teo anatrehan'ny fokony"

Fa inona ity ataon'ireo Jiosy kanosa ireo? Hamerina ny tanàna ho azy ireo angaha izy ireo? Hanolotra sorona angaha izy ireo? Ho vitain'izy ireo ao anatin'ny iray andro angaha ny asa

Nametraka ireo fanontaniana ireo i Sanbala mba hanesoana ireo Jiosy. Ireo dia azo avadika ho lasa fanambarana. DH: "Ireo Jiosy kanosa ireo dia tsy afaka hanatanteraka na inona na inona. Tsy afaka ny hamerina ny tanàna ho an'ny tenany izy ireo. Tsy hanolotra sorona izy ireo. Tsy havita ny asa ao anatin'ny iray andro izy ireo."

Jiosy kanosa

"Jiosy malemy"

ao anatin'ny iray andro

Izany dia manambara tsy fahafahana mamita zavatra haingana. DH: "haingana"

Hamelona ireo vato avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana indray angaha izy ireo?

Nametraka io fanontaniana io ihany koa i Sanbala mba hanesoana ireo Jiosy. azo avadika ho lasa fanambarana. DH: "Izy ireo dia tsy hamelona ireo vato avy tamin'ireo korontam-bato izay efa may."

Hamelona ireo vato avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana indray angaha izy ireo

Io dia miresaka ireo olona izay mamerina manangana ny tanàna toy ny hoe mamelona izany mba hiaina indray izy ireo. DH: "hamerina hanangana ny tanàna sy ireo mandany avy amin'ireo vato tsy misy ilaivana azy fa efa may ary efa navadika ho korontam-bato"

avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana

DH: "avy amin'ireo korontam-bato izay efa nisy nandoro"

Raha mba nisy amboahaolo mantsy niakatra teo amin'izay atsangan'izy ireo, dia handrodana ny manda vaton'izy ireo izany

Sanbala dia naneso ilay manda ary nanao filaza manitatra ampsehoana ny fahalemeny ilay izy amin'ny filazana fa ny amboahaolo dia afaka mandrava izany. DH: "Ny manda izay hatsangan'izy ireo dia malemy ka na ny amboahaolo kely aza dia afaka mihanika eo amin'izany, ny vaton'izy ireo dia hirodana amin'ny tany"