plt_tn/mrk/09/11.md

1.8 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Na dia i Petera, Jakoba, ary Jaona aza naminavina izay tian'i Jesosy tenenina amin'ny hoe: "fitsanganana amin'ny maty," fa kosa nanontany Azy momba ny fahatongavan'i Elia izy ireo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny UDB dia mampiasa ny andininy tetezamita mba hampifandraisana ny andininy faha-12 sy 13, izay manome fampafahantarana momba an'i Jesosy miteny azy ireo mba hampamora azo izay lazainy.

Nanontany Azy izy ireo

Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'i Petera, Jakoba, ary i Jaona.

Nahoana ireo mpanora-dalàna no manambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia?

Ny faminaniana dia efa nilaza mialoha fa Elia dia ho tonga avy an-danitra indray. Avy eo dia ny Mesia, izay Zanak'Olona, ho avy hanapaka sy hanjaka. Ny faminaniana hafa dia efa nilaza mialoha fa ny Zanak'olona dia hijaly ary ho ankahalain'ny olona. Ireo mpianatra dia very hevitra tamin'ny hoe ahoana no hahamarina an'ireo zavatra roa ireo.

fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia

Ireo mpanora-dalàna dia nieritreritra fa Elia dia hiverina eto an-tany alohan'ny hahatongavan'ny Mesia. DH: "fa tsy maintsy Elia no tonga voalohany alohan'ny hahatongavan'ny Mesia"

Ary nahoana no voasoratra fa ... tsy misy dikany?

Ary raha nampianatra ireo mpianany Jesosy, dia nametraka io fanontaniana io izy ary niteny ny valiny tamin'ireo mpianany. DH: "Fa Izaho ihany koa dia te-hihevitra izay voasoratra momba ny Zanak'Olona. Ny soratra masina dia milaza fa tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro ary ho tahaka ny olona tsy misy dikany Izy"

hatao toy ny olona tsy misy dikany

Afaka atao ihany koa hoe: "ary ny olona hanao Azy tahaka ny olona tsy misy dikany"

ary nataon'izy ireo taminy izay sitraky ny fon'izy ireo

Afaka atao hoe: "ary nataon'ny loholontsika ratsy fitondra Izy, araka izay tian'izy ireo hatao"