plt_tn/mrk/06/53.md

856 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa tonga tamin'ny sambo tao Genesareta Jesosy sy ireo mpianany, dia nahita azy ny olona ary nitondra olona mba ho sitraniny. Mitranga amin'izay alehany rehetra izany.

Genesareta

Anaran'ny faritra iray ao avaratry ny Ranomasin'i Galilia io.

avy hatrany dia fantatry ny olona tao Izy

"ireo olona dia nahafantatra an'i Jesosy avy hatrany "

ka nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo

Manampy bebe kokoa raha tenenina ny antony nihazakazahan'izy ireo nanerana ny faritra. DH: "nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo mba hiteny amin'ny hafa fa tao Jesosy"

ka nihazakazaka izy ireo ... ren'izy ireo

Ny teny hoe: "izy ireo" dia misolo tena an'ireo olona izay nahafantatra an'i Jesosy, fa tsy ny mpianany ireo.

ny marary

Io teny io dia misolo tena ny olona. DH: "ireo olona marary"