plt_tn/mrk/04/16.md

24 lines
969 B
Markdown

# Ary ny sasany dia ireo voafafy
"Ary ny olona sasany dia tahaka ireo voa." Jesosy dia nanomboka nanazava hoe ahoana ny olona sasany no tahaka ireo voa izay nilatsaka tamin'ny tany feno vato.
# Tsy misy fakany ao amin'izy izy ireo
Io dia fampitahana ny vary mbola tanora izay tsy tena lalim-paka. Sarin-teny izay midika fa ny olona dia mientana rehefa mandray ny teny amin'ny voalohany, kanefa tsy tena nandray tsara azy. DH: "Ary izy ireo dia tahaka ny voa mbola tanora izay tsy tena lalim-paka"
# Tsy misy faka
Filaza masaka io, hanasongadinana fa tsy tena lalina ny faka.
# maharitra
Amin'io fanoharana io, "maharitra" dia midika hoe: "mino." DH: "manohy amin'ny finoan'izy ireo"
# nohon'ny teny
Manampy bebe kokoa ny manazava hoe nahoana ny fahoriana no tonga. Tonga izany satria ny olona dia nino ny teny. DH: "satria nino ny teny izy ireo"
# lavo izy ireo
Amin'ity fanoharana ity, ny "lavo" dia midika hoe: "nijanona tsy nino ny hafatr'Andriamanitra"