plt_tn/mrk/02/05.md

1.2 KiB

Nahita ny finoan'izy ireo

"Nahita ny finoan'ireo lehilahy." Ireo mety ho dikany: 1) ireo lehilahy izay nilanja an'ilay lehilahy tsy afaka mihetsika ihany no manam-pinoana, na 2) ilay lehilahy tsy afaka mihetsika sy ireo lehilahy izay mitondra azy dia manam-pinoana avokoa.

Anaka

Ny teny hoe: "Anaka" eto dia mampiseho ny firaharahian'i Jesosy ilay lehilahy tahaka ny firaharahian'ny ray ny zanaka. DH: "Ny zanako"

voavela ny helokao

Ny mety ho dikany hafa dia ireto avy: 1) "Andriamanitra namela ny helokao" (toko 2:7) na "Efa namela ny fahotanareo aho"

nimonomonona tao am-pon'izy ireo

Eto ny teny hoe: "ny fon'izy ireo" dia hevitra ambadika hilazana ny eritreritry ny olona. DH: "nieritreritra ny tenan'izy ireo"

Ahoana no ahafahan'io lehilahy io miteny tahaka izany?

Io fanontaniana io dia napetraka mba hampisehoana fa ireo mpanora-dalàna dia manana ahiahy amin'ny herin'i Jesosy mamela ny fahotana. DH: "Tsy tokony hiteny tahaka izany io lehilahy io!"

Fa tsy Andriamanitra irery ihany va no afaka mamela heloka?

Io fanontaniana io dia napetraka mba hampisehoana fa ireo mpanora-dalàna dia manana ahiahy amin'ny hoe Jesosy no Andriamanitra. DH: "Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ireo fahotana!"