plt_tn/mic/07/07.md

558 B

Fa raha izaho aloha

Ny "izaho" eto dia manondro an'i Mika.

Aza mifaly amiko

Tsy ny tenany ihany no tondroin'i Mika. Ny tiany holazaina dia ny hoe: tsy tokony hifaly amin'izay mitranga eo amin'ireo vahoakan'Israely ireo fahavalo.

Raha mipetraka ao amin'ny aizina aho, dia Yaveh no ho fahazavana ho ahy

Mika dia manondro ny loza izay ho avy amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe "aizina." Ny tiany holazaina dia ny hoe: na dia hamela ireo fahavalo handrava azy ireo aza Andriamanitra ankehitriny, dia ho avy Izy ary hanavotra azy ireo amin'ny ho avy.