plt_tn/mic/04/02.md

1.1 KiB

andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba

Ireo tondrombohitra sy ireo trano dia samy fanondroana ny tendrombohitr'i Jerosalema.

Hampianatra antsika ireo fombany Izy, ary handeha amin'ireo lalany isika

Eto, ny "fombany" sy ny "lalany" dia manondro izay tian'Andriamanitra hataon'ireo vahoaka. Ary ny "handeha" dia midika fa hankatò izay lazainy izy ireo.

avy ao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin'i Yaveh

Eto, ny teny "lalàna" sy ny "teny" dia firesahana zavatra mitovy. Ny firenen'izao tontolo izao dia handre ny lalàn'Andriamanitra ao Jerosalema.

angady

Ny angady dia vy misy lelany maranitra izay ampisain'ny olona mba hangadiana ny tany ka hahafahan'izy ireo mamboly voa.

Hively ny sabatr'izy ireo ho angady izy ireo ary ny lefony ho fanetezana

Ireo andian-teny ireo dia samy midika fa hanova ny fitaovam-piadian'izy ireo ho fitaovana izay ampisaina mba hamokarana sakafo izy ireo.

fanetezana

Ny fanetezana dia ampiasaina mba handrantsanana na hanapahana ny sampana na sampaho amin'ny zava-maniry iray mba hamokaran'izany tsara kokoa.