plt_tn/mic/02/06.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Mika 2:6-11 dia miantefa amin'ireo mpaminany izay tsy nitory amim-pahamarinana, ireo izay nandà an'i Mika, ary ireo fomba maro izay nanaraotan'ny mpanan-lkarena ny fahefany.

hoy izy ireo

"hoy ireo vahoakan'Israely"

Aoka izy ireo tsy haminany

"Aoka tsy haminany ireo mpaminany"

Tezitra ve ny Fanahin'i Yaveh? Moa tena asany ve ireo?

Mampiasa io fanontaniana io ireo vahoaka mba hanamafisanay fa diso fandray izy ireo ary tsy mino fa hanasazy azy ireo tokoa Andriamanitra.

Moa tsy mampahatsara an'izay mandeha mahitsy ve ny teniko?

Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hampianarany ireo vahoaka. DH: "Tsara ho an'ireo izay voakasiky ny fanaovana ny mahitsy ny hafatro."

ny vahoakako

Eto, ny "-ko" dia manondro an'i Yaveh.

Manala ny tohitena, ny akanjo, eny amin'izay mandalo tsy amim-piahiahiana ianareo

Ireo mety ho heviny dia 1) Ny tian'i Mika ho tenenina dia ireo olona manan-karena izay mangalatra lamba ara-bakiteny amin'ireo mahantra, kanefa tsy dia inoana io. Na 2) Mika dia manondro ireo mpampindrana izay mihazona ny akanjon'ireo mahantra izay tonga mindrana vola ka nanome ny ankanjony ho antoka fa henefa izy ireo. Araka ny lalàna amin'ny Eksodosy, tsy maintsy mamerina ny akanjo mialohan'ny hariva izy ireo satria mety ho iny ihany no mba hany hanafana ilay mahantra amin'ny alina.