plt_tn/mat/27/25.md

771 B

Ho aminay sy ny zanakay anie ny ràny

Eto ny "rà" dia ilazana ny fahafatesan'ny olona iray. Ny fehezanteny hoe "Ho aminay sy ny zanakay'' dia fomba fiteny izay midika fa manaiky ny ho tompon'andraikitra amin'izay zava-mitranga izy ireo. DH: "Eny! Ho tompon'andraikitra amin'ny famonoana Azy izahay sy ny taranakay!"

Dia nalefany ho an'izy ireo Barabasy

"Avy eo dia navotsotr'i Pilato ho an'ireo vahoaka i Barabasy"

nively karavasy an'i Jesosy izy

Misy hevitra ambadika izany fa ireo miaramilan'i Pilato no nikaravasy an'i Jesosy. DH: "Namely karavasy an'i Jesosy ireo miaramilan'i Pilato"

nively karavasy

Nikapoka olona amin'ny karavasy

nanolotra Azy ho fantsihina

Azo atao hoe DH: "ary nanome baiko ireo miaramilany i Pilato mba hanombo an'i Jesosy"