plt_tn/mat/26/62.md

1.5 KiB

Inona izany hiampangan'izy ireo Anao izany

Tsy mangataka fampahafantarana avy amin'i Jesosy momba izay nolazain'ireo vavolombelona ny lohan'ny mpisorona. Mangataka an'i Jesosy izy mba hanaporofo fa diso izay nolazain'ireo vavolombelona. DH: "Inona no havalinao izay hanoheran'ireo vavolombelona Anao?"

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.

Andriamanitra velona

Eto ny "velona" dia mampifanohitra an'Andriamanitra amin'ireo andriamanitra tsy izy sy ireo sampy izay hivavahan'ny olona. Ny Andriamanitr'Israely ihany no velona sy manana hery hiasana. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 16:13.

Voalazanao

Io dia fomba fiteny izay ampiasain'i Jesosy mba hidika hoe "eny" kanefa tsy dia mazava ny tena tiany ho lazaina. DH: "efa manaiky izany ianao"

Fa lazaiko aminareo, manomboka izao

Miresaka amin'ireo mpisoronabe sy ireo olona teo i Jesosy.

manomboka izao dia ho itanareo ny Zanak'Olona

Ireo mety ho dikany dia 1) midika fa hahita ny Zanak'Olona amin'ny heriny any aoriana any izy ireo na 2) nanomboka tamin'ny fitsarana an'i Jesosy mankany, dia mampiseho ny tenany Jesosy fa Izy ilay Mesia izay mahery sady mpandresy.

Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny teneny ihany i Jesosy.

hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny Hery

Eto ny "Hery" dia ilazana an'Andriamanitra. DH: "eto an-tanana ankavanan'Andriamanitra Tsitoha"

tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra

"midina eto an-tany eo ambonin'ny rahon'ny lanitra"