plt_tn/mat/26/17.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fanombohan'ny tantaran'ny fanakalazan'i Jesosy ny Paska niaraka tamin'ireo mpianany.

niteny hoe: "Aiza no tianao hanomananay ho anao hihinana ny sakafon'ny paska?" Namaly Izy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lehilahy iray ary lazao izy hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Efa akaiky ny fotoanako. Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska miaraka amin'ireo mpianatro."'''

DH: "Niteny tamin'ireo mpianatra Izy mba handeha any an-tanàna ho any amina lehilahy iray ary hilaza aminy fa hoy ny Mpampianatra aminy hoe: 'Efa akaiky ny fotoanako. Hataoko ao an-tranonao miaraka amin'ireo mpianatro ny Paska"' na "Niteny tamin'ireo mpianatra i Jesosy mba handeha any an-tanàna ho any amina lehilahy iray ary hilaza aminy fa efa akaiky ny fotoanan'ny Mpampianatra ary hanao ny Paska ao an-tranon'izany lehilahy izany miaraka amin'ireo mpianany Izy.

fotoanako

Ireo mety ho dikany 1) "Ilay fotoana nolazaiko taminareo" na 2) "Ilay fotoana napetrak'Andriamanitra ho Ahy."

Efa akaiky

Ireo mety ho dikany dia 1) "efa antomotra" na 2) "tonga"

Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska

"hihinana ny sakafon'ny Paska" na "hankalaza ny Paska amin'ny fihinanana ny sakafo manokana"