plt_tn/mat/25/01.md

902 B

Fampifandraisanany foto-kevitra:

Milaza fanoharana iray momba ny virijiny hendry sy virjiny adala i Jesosy mba hilazana fa tokony ho vonona amin'ny fiverenany ireo mpianany.

Ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "rehefa miseho ho mpanjaka ny Andriamanintsika any an-danitra, dia ho tahaka." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:24.

jirony

Mety ho 1) jiro tsotra na 2) jiro namboarina tamin'ny alalan'ny fametahana lamba eo amin'ny lohan'ny tehina ary nolemana solika.

dimy tamin'izy ireo

"ny dimy tamin'ireo virijiny"

tsy nitondra solika niaraka taminy

"ny solika tao amin'ny jiron'izy ireo ihany no nananan'izy ireo"