plt_tn/mat/24/26.md

1001 B

raha miteny anareo izy ireo hoe: 'indro, any an-efitra izy,'

Azo adika hoe DH: "raha misy miteny aminao hoe any an'efitra i Kristy"

Na hoe 'indro, any anaty efitrano izy'

Azo adika hoe DH: "Na, raha misy olona miteny aminao hoe any anaty efitrano i Kristy"

any anaty efitrano

"any anaty efitra mangingina" na "any anaty toerana mangingina"

toy ny varatra izay mitselatra ... tahaka izany ny fihavian'ny

Midika izany fa ho avy faingana dia faingana ny Zanak'Olona ary ho mora hita Izy.

Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.

Na aiza na aiza misy biby maty, dia any no hiangonan'ny voltora

Mety ho ohabolana izay fantatry ny olona tamin'ny andron'i Jesosy io. Ireo mety ho dikany dia 1) Rehefa tonga ny Zanak'Olona, dia hahita Azy ny olon-drehetra ary hahafantatra fa efa tonga Izy, na 2) na aiza na aiza misy ny olona maty ara-panahy, dia any koa no hisy mpaminany sandoka hilaza lainga amin'izy ireo.

voltora

Vorona izay mihinana ny fatin'ireo zava-manan'aina