plt_tn/mat/23/32.md

863 B

Ianareo ihany koa dia nahafeno ny fahotan'ireo razambenareo

Mampiasa ity sarin-teny ity i Jesosy, izay midika hoe ho vitain'ireo Fariseo ny asa ratsy izay natomboky ny raiben'izy ireo tamin'ny namonoan'izy ireo ny mpaminany. DH: "Vitainareo ihany koa ny fahotana izay natombok'ireo razambenareo"

Ianareo ry bibilava, ianareo ry taranaky ny menarana

Ny bibilava sy ny menarana dia mitovy ihany. Loza be ireo ary matetika dia anehoana ny ratsy. DH: "Ianareo dia ratsy toy ny bibilava loza be sady feno poizina"

taranaky ny menarana

Eto ny hoe "taranaka" dia midika hoe "manana ny toetoetry ny." Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izany ao amin'ny 3:7.

ahoana no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo?

Mampiasa io fanontanina io i Jesosy mba hananarana. DH: "tsy misy fomba handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo!"