plt_tn/mat/19/28.md

1.2 KiB

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

vanim-potoana vaovao

"amin'ny andro vaovao." Maneho ny fotoana hamerenan'Andriamanitra amin'ny laoniny ny zavatra rehetra io. DH: "amin'ny fotoana izay hanavaozan'Andriamanitra ny zavatra rehetra"

Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.

seza fiandrianan'ny voninahiny

Ny fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana dia midika fanapahana toy ny mpanjaka. Ny seza fiandrianany izay be voninahitra dia midika fa be voninahitra koa ny fanapahany. DH: "mipetraka toy ny mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny" na "manapaka amim-boninahitra toy ny mpanjaka"

hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo

Eto ny "seza fiandriananana" dia ilazana ny fanapahana amin'ny maha-mpanjaka. Tsy hitovy amin'i Jesosy izay ho eo amin'ny seza fiandrianana ihany koa akory ireo mpianatra. Handray fahefana avy Aminy izy ireo. DH: "hipetraka toy ny mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianana 12"

hitsara ireo foko roa ambin'ny folon'Israely

Eto ireo "foko" dia manondro ireo olona avy amin'ireo foko ireo. DH: "ireo olon'ny foko 12-n'Israely"