plt_tn/mat/19/23.md

950 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manazava amin'ireo mpianany i Jesosy, ny amin'ny valisoa azo avy amin'ny fahafoizana ny fananana ara-materialy mba hanarahan-dia an'i Jesosy.

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra."DH: "ny hanaiky an'Andriamanintsika any an-danitra ho mpanjakan'izy ireo" na "ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra"

mora kokoa ... fanjakan'Andriamanitra

Mampiasa filaza-masaka i Jesosy mba hanindriana fa tena sarotra ho an'ny mpanan-karena ny hiditra ny fanjakan'Andriamanitra.

vodim-panjaitra

Lavaka eo amin'ny vodin'ny fanjaitra mba hampidirana kofehy.