plt_tn/mat/19/13.md

997 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mandray sy mitso-drano ireo ankizy kely i Jesosy.

nisy ankizy madinika sasantsasany noentina teo aminy

Azo atao hoe DH: "Nisy olona sasantsasany nitondra ankizy kely teo amin'i Jesosy"

aza raràna izy ireo hanatona Ahy

"aza sakanana tsy hanatona Ahy izy ireo"

satria ny fanjakan'ny lanitra dia an'ny toy azy ireo

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "fa rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany ny Andriamanintsika izay any an-danitra, dia ho mpanjakan'ny toa an'ireto Izy" na "fa ho avelan'Andriamanitra hiditra ao amin'ny fanjakanay izay toa an'ireto"

an'ny toy azy ireo

"an'ireo izay tahaka ny ankizy kely." Io dia fampitahana izay midika fa ireo izay manetry tena toy ny ankizy kely dia hiditra ny fanjakan'Andriamanitra.