plt_tn/mat/18/04.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra ireo mpianatra i Jesosy fa mila manetry tena toy ny zaza izy ireo raha te ho lehibe ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

dia lehibe indrindra

"no manan-danja indrindra" na "no ho lehibe indrindra"

any amin'ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "any amin'ny fajankan'Andriamanitra" na "rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany ny Andriamanitsika any an-danitra"

amin'ny anarako

Eto ny hoe "anarako" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "Nohon'ny amiko" na "satria mpianatro izy"

mandray Ahy

DH: "toy ny mandray Ahy izany" na "toy ny hoe mandray Ahy izy"

dia ho tsara kokoa ho azy ny hiantonan'ny fikosoham-bary lehibe eo amin'ny vozony, ka halentika any amin'ny ranomasina lalina izy

Azo atao hoe DH: "raha misy manantona fikosoham-bary lehibe eo amin'ny tendany ary manipy azy any amin'ny ranomasina lalina"

fikosohom-bary

Io dia vato lehibe, mavesatra, boribory izay ampiasaina hitotoana ny vary ho lasa koba. DH: "vato mavesatra"