plt_tn/mat/18/01.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay mitohy hatrany amin'ny 18:34, izay ampianaran'i Jesosy momba ny fiainana any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Eto, dia mampiasa ankizy kely iray i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany.

Iza no lehibe indrindra

"Iza no manan-danja indrindra" na "Iza amintsika no ho lehibe indrindra"

any amin'ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra" na "rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany ny Andriamanintsika"

raha tsy miova ... tsy hisy hevitra ny hidiranareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra

Azo atao hoe DH: "Tsy maintsy miova ... mba hidiranareo"

lasa toy ny ankizy kely

Mampiasa fampitahana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianatra fa tsy tokony hiraharaha ny amin'izay lehibe indindra izy ireo. Tokony ho liana kokoa ny amin'ny fanetre-tena tahaka ny zaza izy ireo.

hidiranareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "hiditra any amin'ny fajankan'Andriamanitra" na "an'Andriamanitsika any an-danitra rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany Izy"