plt_tn/mat/17/26.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra an'i Petera ny amin'ny fandoavana ny hetran'ny tempoly i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiafaran'ny tantara izay nanomboka tao amin'ny 13:54, izay ilazan'ny mpanoratra ny amin'ny fanoherana lava ny asa fanompoan'i Jesosy sy ireo fampianarana momba ny fanjakan'ny lanitra.

Rehefa niteny Petera hoe: "Avy amin'ireo vahiny,"

Raha nadikanao ho teny tsotra ilay fanontanian'i Jesosy tao amin'ny 17:24, dia mety ho mila manome valiny eto ianao. DH: Rehefa niteny i Petera hoe: ''Eny, marina izany. Maka ny hetra avy amin'ireo vahiny ny mpanjaka" Afaka ataonao fiteny tsy mivantana ihany koa io. DH: ''taorian'ny naneken'i Petera an'i Jesosy"

Avy amin'ireo vahiny

Amin'ny vanim-potoana ankehitriny, ireo mpitarika dia mampandoa hetra ireo mponina ao amin'ny taniny. Fa tamin'ny vanin'andro taloha, dia ireo olona izay voababony matetika no ampandoavin'ny mpitarika hetra fa tsy ny tena mponina ao amin'ny taniny.

vahoaka

Olona ao ambanin'ny fahefan'ny mpanapaka na mpanjaka.

Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra

"Fa tsy tiantsika ny hahatezitra ireo mpamory hetra. Koa, mandehana."

manipàza fitana ao

Namatotra vy maranitra teo amin'ny fintana ireo mpanjono, ary avy eo nandatsaka izany tany anaty rano mba hahazoana trondro.

ny vavany

"vavan'ilay trondro"

Alaivo izany

"Alaivo izany sekely izany"

ho Ahy sy ho anao

Eto dia manondro an'i Petera ny hoe "ho anao." Ny olona tsirairay dia tsy maintsy nandoa hetra antsasaky ny sekely avy. Noho izany dia tokony ho ampy handoavan'i Jesosy sy Petera ny hetran'izy ieo ny sekely iray.