plt_tn/mat/16/05.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany ny tantara. Mampiasa irika ahafahany mampitandrina ireo mpianany ny amin'ny Fariseo sy ny Sadoseo i Jesosy.

teny ampita

Azonao atao mazava ny hevitra izay efa voaray eto. DH: "teny ampitan'ny farihy" na "teny ampitan'ny Ranomasin'i Galilia"

ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo

Eto ny "masirasira" dia sarin-teny ilazana ny hevitra ratsy na fampianaran-diso. Adikao hoe "masirasira" aloha eto ary aza manazava ny dikany ao amin'ny fandikan-teninao. Hatao mazava ny dikan'io ao amin'ny 16:12.

Niady hevitra

"nifampiady hevitra"

Ianareo ry kely finoana

"Ianareo izay manana finoana kely tahaka izany." Mibedy ireo olona i Jesosy satria kely ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 6:30.

nahoana ianareo no miady hevitra ... tsy nitondranareo mofo izany?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hananarana ireo mpianany amin'ny tsy fahazoan'izy ireo izay nolazainy. DH: "Kivy Aho fa heverinareo fa ny nanadinoanareo ny nitondra mofo no niresahako momba ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo"