plt_tn/mat/15/04.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaly ireo fariseo i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 4, milaza ny teny avy ao amin'ny Eksodosy indroa i Jesosy mba hampisehoana hoe toy ny ahoana ny fomba andrasan'Andriamanitra hitondran'ny olona ny ray aman-drenin'izy ireo.

ho faty tokoa

"tena ho vovoin'ny olona tokoa izy"

Fa ianareo miteny hoe: 'Na iza na iza milaza amin'ny rainy na reniny hoe: "Na inona na inona fanampiana izay azonareo avy amiko dia fanomezana ho an'Andriamanitra ankehitriny,'" izany olona izany dia

Raha ilaina dia afaka adikanao amin'ny teny tsy mivantana ireo. DH: "Fa mampianatra ianareo fa ny olona iray dia tsy mila manaja ny ray aman-dreniny amin'ny fanomezana zavatra izay mety hanampy azy ireo, raha miteny amin'ireo ray aman-dreniny io olona io fa efa nomeny ho fanatitra ho an'Andriamanitra izany"

Fa ianareo miteny hoe

Manondro ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna ny "ianareo" eto.

tsy mila manaja ny rainy

Midika hoe "ireo ray aman-dreniny" ny "rainy" eto. Midika io fa ireo mpitarika fivavahana dia nampianatra fa tsy mila maneho fanajana amin'ireo ray aman-dreniny amin'ny fikarakarana azy ireo ny olona iray.

nofoananareo ny tenin'Andriamanitra noho ireo fomban-drazanareo

"nantaonareo ho zava-dehibe mihoatra noho ireo didin'Andriamanitra ny fomban-drazanareo"